Actualités

Oniversiten’Antsiranana Hitokona ny mpianatra


  • Alarobia 18 Martsa 2015

Mikononkonona ny hanao fihetsiketsehana nanomboka omaly ny mpianatry ny oniversiten’Antsiranana

 

. Leo sy tofoka amin’ny fahatapahan-jiro lava ireo mpianatra any an toerana ka mikasa ny haneho ny tsy fahafaliany. Raha ny fanazavana nomen’ny mpiasan’ny Jirama any an-toerana dia vokatry ny fahasimban’ny fitaovana any an-toerana mahatonga ny fahatapahana matetika. Tsy ny faritanin’Antsiranana irery ihany no mahita faisana fa any Toamasina dia faritra maro ao an-tampon-tanàna ihany koa no mitaraina amin’ny fahatapahan’ny jiro. Efa misy ihany ny fampanantenana milina roa mahazaka  6 mwt avy  saingy tsy mbola tonga any an-toerana hatramin’izao. Ho an’ny eto an-drenivohitra moa dia faritra maro amin’iny manodidina an’Avaradrano iny no nahitana fahatapahana matetitetika tato ho ato. Teo aloha dia ny tsy fisian’ny solika sy ny tsy fahampian’ny tosika amin’ny rano no nahatapaka matetika ny jiro. Asa izany na inona indray no olana mitranga ankehitriny ankoatra ny fahanteran’ny fitaovana ?

Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT