Actualités

Oniversiten’Antananarivo Tsy mbola nahazo ny teti-bola 2010


  • Alatsinainy 03 Mey 2010

Mbola ao anatin’ny sangodim-panina tanteraka ny eny amin’ny oniversiten’Antananarivo amin’izao fotoana. Ny mpianatra etsy an-kilany tsy manaiky ilay fampisondrotana 10% ny vatsim-pianarana, fa mitaky ny hampisondrotana izany ho 50%, ary miaraka aloa amin’ny fampitaovana na «équipement» ny vatsim-pianarana roa volana farafahakeliny, miaraka amin’ny fisondrotana.

Ny oniversiten’Antananarivo kosa etsy an-daniny milaza fa tsy manam-bola izy ireo, satria tsy mbola naharay ny tetibola 2010 avy any amin’ny fanjakana. Amin’ny oniversite dia ambony loatra ny fitakian’ny mpianatra ary tsy ho tanteraka ao anatin’ny fotoana fohy, araka ny fitakiana. « Ny volan’ny oniversite manokana no nampiasaina hatramin’ny fidirana tamin’ity taona ity, zara raha ampy nampandehanan-draharaha sy nadoavana ny karaman’ny mpampianatra sy ny mpiasa rehetra izany, tsy mbola nisy hatramin’izao ny fanomezan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony ny tetibola tokony hampiasainay », hoy ny profesora Jean Eric Rakotoarisoa, filoha lefitry ny oniversite ny faran’ny herinandro teo, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy. Nilaza koa izy fa tsy azo ekena ny herisetra toy ny fanimban-javatra na ny fisomparana atao ny mpianatra te hianatra. Izay mantsy matetika no mitranga eny Ankatso rehefa misy ny fitokonana ataon’ny mpianatra, izay efa zary fomba amam-panao isan-taona hatramin’ny 1972 no ho mankaty. Ny avy ao amin’ny minisitera kosa anefa dia efa nilaza ihany fa hisy ny fandoavana ny vatsim-pianarana roa volana ny alarobia ho avy izao, ho an’ny oniversiten’Antananarivo, ilay fisondrotana 10% ihany anefa no hozaraina amin’io fa tsy ilay 50% takian’ny mpianatra. Fantatra fa mbola hisy ihany koa ny fihaonana eo amin’ny solontenan’ny mpianatra sy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny oniversite, amin’ity alatsinainy ity, na rahampitso talata. na izany aza anefa dia milaza ny hanao fihetsiketsehana ihany ny mpianatra.

 RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tĂ nana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT