Mitohy ny fitokonana. Tsy misy mandray ny asany ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo sy ireo sampandraharaha miankina aminy toy ny Ofisin’ny bakalôrea raha tsy azo ny karama volana jolay.
“Tsy misy mamonjy ny toeram-piasana ny mpiasa rehetra raha tsy efa eo am-pelatanana ny karama”, hoy Rakotovao Heritiana, anisan’ireo mpiasan’ny oniversiten’Antananarivo raha namintina ny hevitra tapak’izy ireo nandritra ny fivoriana izay notontosainy tao amin’ny Cathédrale DEGS omaly antoandro. Nifanaraka ihany koa ireo mpiasa sy mpandraharaha izay miisa eo amin’ny 1600 eo ho eo ahitana ireo amin’ny oniversite rehetra amin’ireo ECD fa «eo amin’ny Esplanade no andaniana ny tontolo andro manomboka anio zoma 30 jolay mandra-pivahan’ny olana ary hotohanana tsy azo hidiran’ny fiara koa ny faritry ny oniversite mandritra ny 24 ora/24 ora». Omaly tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany moa no efa nakaton’ireo mpiandry vavahady ny vavahady fidiran’ny fiara ao Ankatso ka fiara maro no voatery niverin-dalana na koa nitady toerana hijanonana teo ivelany. Ity farany izay lasa toeram-piantsonana isaky ny misy fitokonana eny an-toerana. Fa anisan’ny niatrika ny fivorian’ny mpiasa omaly ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo, Pr Andriatsimahavandy Abel, izay nanambara fa hiezaka araka izay tratry ny ainy ny tenany amin’ny fanelanelanana.
«Efa fantatry ny tompon’andraikitra ambony izao zava-misy izao araka ny antso nifanaovako taminy mialoha izao fahatongavako eto izao. Nampanantena koa izy fa hovahana tsy ho ela ity olana ity», hoy ny filohan’ny oniveriste nanoloana ny mpiasa. Nomarihiny kosa anefa fa tsy nanondro andro handoavana ny karaman’ny mpiasa io tompon’andraikitra nifampiresaka taminy io. Raha ny fanazavan’ny mpiasa sasany dia efa lasa fahazarana ho azy ireo ny fahataran’ny karama saingy tsy nihetsika mihitsy izy ireo. Ny fiadidiana ny oniversite no niantoka ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa hatramin’izay saingy efa ritra koa ny kitapom-bola ao an-toerana ka tsy afa-manoatra intsony ny Oniversite. Ny famatsiam-bola avy amin’ny fitondram-panjakana anefa tsy mbola tonga na dia efa hifarana aza ny taom-pianarana. Ahiana hisy olana ihany koa ny fizotry ny fanadinana eny Ambohitsaina izay hanomboka amin’io volana aogositra io raha ny nambaran’ny mpiasa mikarakara izany noho ity olana ara-bola ity ihany izay tsy ahafahan’izy ireo manomana izany ara-dalàna.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.