Nanjaka tokana ny profesora Ramanoelina Panja Armand tamin’ny fifidianana filohan’ny oniversiten’Antananarivo. Nataony telimoka avokoa ireo mpifaninana taminy, nahitana an-dRavelomanantsoa Solofo, Ravelonandro Pierre Rakotomanana Hajanirina ary Pr Andriantsimahavandy Abel
Ity farany izay filoha am-perinasa nefa dia tsy nisotro rano. Laharana voalohany hatrany ny Pr Panja tamin’ireo sekoly ambony telo sy fakiolte miisa telo sady koa niantefan’ny safidin’ireo mpandraharaha (mpifidy faha-8) .Tao amin’ny fakiolten’ny Siansa ihany no naningana satria laharana faha-3 ny tenany tao. Raha akapoka izany dia nametraka fitokisana taminy avokoa ny 7/8 tamin’ireo «collège». Manana drafitrasa voalamina ao anatin’ny efa-taona 2013-2016 ny filohan’ny oniversite vaovao.
Voalohany dia ny fanavaozana amin’ny alalan’ny fanomezana laharampahamehana ny fifampidinihana, ny mangarahara ary ny fitantanana madio. Faharoa, ny fanatsarana fampianarana ambony sy fampiroboroboana ny seha-pikarohana raha ny fanamafisana ny fivelarana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany ny fahatelo. Ao anatin’izany ny fiaraha-miasa amin’ireo sehatra arak’asa sy ny fisokafana bebe kokoa amin’ny sehatra isam-paritra sy iraisam-pirenena izay tsy voafehin’ny fifandraisana eo amin’ny samy oniversite fotsiny. Tanjona fahaefatra farany dia ny fanatsarana ny endriky ny oniversiten’Antananarivo na «meilleure visiblité».
Momba ny grevy lava eny amin’ny anjerimanontolo ateraky ny tsy fahampian’ny tetibola dia nilaza ny profesora Ramanoelina Panja fa tsy maintsy hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ireo ministera mifandray amin’ny oniversite mivantana dia ny fampianarana ambony sy ny tetibola. 31 taona niasana tao amin’ity oniversite ity ny Pr Ramanoelina Panja Armand ary dia voasedra tamin’ny lafiny maro. Efa nitondra ny departemantan’ny “Agronomie” nandritry ny 9 taona izy ary efa talen’ny ESSA (Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques) ihany koa nandritry ny 5 taona mahery. Mpikambana eo anivon’ny filankevitra siantifika eo anivon’ny Agence Universitaire de la Francophonie na ny AUF koa ny tenany ary filoha sy mpikambana amina Filankevi-pitantanana vaomiera iraisam-pirenena maromaro. Efa minisitry ny fambolena izy tamin’ny fitondran’i Marc Ravalomanana ity filoha vaovaon’ny oniversiten’Antananarivo ity.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.