Actualités

Oniversiten’Antananarivo Hihazo ny ministeran’ny vola ny Telo tonta anio


  • Zoma 17 Aogositra 2012

Ho eny amin'ny Ministeran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola eny Antaninarenina ny Mpampianatra Mpikaroka sy ny Mpandraharaha ary ny Mpianatra anio maraina amin'ny 9 ora, araka ny fampitaom-baovao nataon’ny filohan’ny SECES Sampana Antananarivo, Razafimahefa Reine.

Ity farany izay nanamarika fa “mbola solontena aloha no ho eny”. Tsy misy mihaino izy ireo matoa tonga amin’izao ny raharaha. Omaly dia nitohy tao amin’ny Amphi siansa ny hetsiky ny telo tonta, saingy ny mpianatra no nitarika. Zo hianatra no takian’izy ireo, miaraka amin’ny fepetra mifanaraka amin’izany. Ny hiasa tsy amin’ahiahy ny an’ny mpandraharaha. Ny handoavana ny tambinkarama efa neken’ny fanjakana fa haloa no takian’ny mpampianatra ny hanatanterahana azy. Resa-bola avokoa ireo, ka dia izao hiakatra an’Antaninarenina izao ny delegasiona anio, rehefa reraky ny nampaneno lakolosy.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT