Actualités

Oniversiten’Ankatso Ataon’ny HAT ankilabao


  • Alarobia 24 Oktobra 2012

Miverina mihetsika indray ireo mpianatra eny amin’ny oniversiten’Ankatso.

 Ny tsy fahazoana ny vatsim-pianarana dimy volana no antony. Araka ny nambaran’ireto mpianatra dia ny fanjakana no tokony hanome kalitao ny fampianarana eny amin’ny anjerimanontolo. Tsy izay anefa no zava-misy. Ny fanjakana izay noeritreretina hanome lanja ny fianarana eny Ankatso indray no tsy manao izany. Mitaraina ireo mpianatra fa efa tena sahirana tokoa amin’izao fotoana izao noho ny tsy fandraisana vatsim-pianarana.

Fanaovana ankilabao ny oniversite eto Antananarivo izao, hoy ihany izy ireo satria ny any Mahajanga sy Fianarantsoa dia samy efa nahazo vatsim-pianarana telo volana avy. “Aza variana mitety an’i Madagasikara fa mba vahao ny olana ety amin’ny oniversite. Ny vola iray alina Ariary tokony haverina amin’ny mpianatra aza tsy mbola tafaverina amin’izao fotoana izao. Tompon’andraikitra amin’ny famerenana io vola io ny ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny ministeran’ny vola. Aza lany andro mifanipy baolina fa vahao ny olana dia eny tsy mbola mitatra”, hoy i Pierret, filohan’ny mpianatra ao amin’ny departemanta DEGS.

Misy amin’ny mpianatra ao amin’ny fakiolten’ny haisoratra no miomana hanatontosa “Voyage d’études” any Toliara, Mahajanga ary Toamasina nefa tsy manana ny enti-manana ilaina amin’izany. Efa mahazatra moa tao anatin’ny efa-taona nitondran’ny FAT no atao ankilabao ny fianakaviamben’ny oniversite: ny mpianatra, mpampianatra ary ny mpandraharaha. Raha tsy misy fitokonana tsy mihetsika mihitsy ny fanjakana. Ho hita indray ny tohiny.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT