Actualités

Oniversite Toliara Mifandrahona i Pr Dina Alphonse sy ny Seces mitokona


  • Alatsinainy 07 Septambra 2015

Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny fanjakana sy ny mpampianatra mpikaroka sasany mpikambana ao amin’ny SECES. Raha ny fanambaran’ny filohan’ny oniversiten’i Toliara, Pr Dina Alphonse fa miverina manomboka anio alatsinainy 7 septambra ny fampianarana ao Maninday.


 

 «Ampahana mpampianatra mpikaroka vitsy ao amin’ny Seces ireo mitokona, fa saika nahavita ny fandaharam-pianarany avokoa ireo mpampianatra mpikaroka rehetra, ary miandry fanadinana fotsiny», hoy ny filohan’ny oniversiten’i Toliara.

 

Tsy nisorona i Pr Dina Alphonse nilaza, fa misy mpampianatra manosika an’ireo mpianatra manao hadalana. «Handraisana fepetra hentitra izy ireo manomboka izao ary hosamborina izay manakorontana ny fampianarana, mba hanehoana amin’ny rehetra fa misy ny «autorité universitaire». Etsy an-kilany, tsy manaiky izany fihetsika miendrika ramatahora izany ireo mpampianatra mpikaroka sasany mivondrona ao amin’ny SECES Toliara. «Tsy hampianatra mihitsy izahay raha tsy voasonia amin’ny 14 septambra 2015 ny fanomezan-toky nifanaovana tamin’ny Fanjakana», hoy Dr Legros sy ny ekipany, nanao valandresaka tamin’ny mpanao gazety, ny sabotsy antoandro teo, tao amin’ny Cedratom.

 

Eric R.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT