Actualités

Oniversite Mitohy ny fitokonana , ahiana ny hisian’ny taona fotsy ?


  • Alakamisy 11 Novambra 2010

Tsy mbola msiy mangirana ny eny amin’ny oniversite fa dia mbola ny omaly tsy niova, hentitra sy mazava ny toromarika avy amin’ny Seces fa miato avokoa ny asa rehetra enny amin’ireo oniversite enina manerana ny nosy mandra-pahazoan’izy ireo valiteny mahafa-po amin’ny fitakiana , avy amin’ny fitondram-panjakana, izany hoe fitokonana faobe tsy misy fetra no atao manomboka anio, izay no nambaran’ny filoha nasionalin’ny Seces omaly teny Ankatso.

Koa amin’ity alakamisy ity ary dia eny amin’ny esplanade Ankatso ny fotoana raha ho an’ny eto Antananarivo, ka hanomboka amin’ny 10 ora ny kabary ifandimbiasana sy ny fampitam-baovao maro samihafa, aorian’izay moa dia mitokona eny an-toerana izy ireo ary tsy misy miditra birao .Mifanohana sy mifanampy amin’izao fitakiana izao moa ny toko telo maha-masa nahandro eny amin’ny oniversite dia ny mpampianatra, ny mpianatra izay tonga maro be teny Ankatso omaly ary ny mpandraharaha.Nanambara ny solotenanan’ny mpianatra fa mila manaja tena ka miala amin’nytoerany rehefa tsy mahita vahaolana ny minisitra Tongavelo Athanase, ny mpandraharahan’ny oniversite kosa dia mametraka fa tsy hanaiky izy ireo fa hanohy ny grevy raha toa ka voavaly ny fitakian’ny mpampianatra kanefa miandry ny an-dry zareo.

Efa nisy ihany ny fifampiresahana tamin’ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony , araka ny vaovao voaray, saingy araka ny nambaran’ireo mpampianatra avy ao amin’ny Seces ireto dia valiteny tsy mahavaha olana no nomen’Atoa Tongavelo Athanase ka nilazany hoe : «  efa an-dalam-pikarakarana ny momba ny fisotron-drononon’ireo mpampianatra, mbola sahirana anefa ny ministera amin’izao fotoana ka mety amin’ny volana janoary any ho any vao afaka miresaka sy mandinikaireo fitakiana ambiny ». Tsy mbola nilaza anefa ireto mpampianatra mpikaroka mitokona sy mitaky ny zony ireto fa ho taona fotsy ny eny amin’nyoniversite, saingy na izany aza anefa dia manomboka efa mionona hany ireo mpianatra satria efa mizotra tsimoramora any amin’ny taona fotsy ny oniversite enina manerana an’i Madagasikara, satria na ny fanadinana fiodinana voalohany aza mbola tsy vita akory amin’izao tapaky ny volana novambra izao; koa mahakely finoana ihany ny hifaranan’ny taom-pianarana mialohan’ny desambra amin’ity taona ity. Etsy ankilan’izay, raha ohatra ka hita ihany ny marimaritra iraisana ka manaiky ny handoa ireo tambi-karaman’ny mpampianatra mpikaroka ny fitondrana tetezamita, dia mbola maharitraritra ihany ny dingana (procedures) tsy maintsy arahana ka mbola ho ela vao ho voavaha tanteraka ny olana. Tsara ho marihana fa manaraka ity fitokonana ity avokoa ireo oniversite 5 hafa any amin’ny faritra ary efa nanakatom-baravarana ihany koa.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT