Taorian’ny zava-nisy tao amin’ny campus Ambondrona ny faran’ny herinandro teo dia voatery nahemotra ny talata ny fanadinan’ny sampam-pampianarana siansa satria dia niteraka fikorontanan-tsain’ireo mpianatra ny tranga niseho
Vita soa aman-tsara ihany anefa ny fanadinana ka ny zoma teo no nifarana ny fanadinana. Tao amin’ny campus hatrany no nanatanterahana ny fanadinana farany ireo mpianatra ao amin’io sampampampianarana io ka nisy ihany ny fanaraha-maso ny mpitandro ny filaminana manodidina ny campus Ambondrona ny tontolo andron’ny fanadinana. Etsy an-daniny, niteraka fahatezeren’ireo mpianatra sasany ny tsy fanaovan’ireo mpianatra tsy mpanao fitokonana ireo satria dia nampanaovina fanadinana ambadika izy ireo ny andron’ny talata io. Fihetsika tsy tokony hisy intsony anefa ny tahak’ireny satria dia samy mpianatra izy ireo ary ny fianarana no nilana tany amin’ny toerana niaviana ka rariny loatra raha hanao fanadinana izy ireo toy ny sasany
manatanteraka ny azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.