Actualités

Oniversite Mahajanga Miala any indray ny fandrahonana mpampianatra ho faty


  • Talata 09 Jona 2015

Miparitaka manerana ny oniversite Ambondrona ny taratasy mampilaza fa tsy tokony hanitsaka ny campus intsony ireo mpampianatra ao amin’ny sampam-pampianarana

 

siansa fa noho ny fitakiana ataon’izy ireo mikasika ny vatsim-pianarana. Voaraikitra ao anatin’io petadridrina io dia manome 48 ora ireo tompon’andraikitra ny sampam-pampianarana io izy ireo ka aorian’izay dia hiroso amin’ny korontana indray ny mpianatra eo anivon’ny oniversite Mahajanga. Ny alarobia 3Jona teo no nanomboka niparitaka io peta-drindrina mampilaza ny tsy fahazoan’ireo mpampianatra mampianatra eny amin’ny campus Ambondrona. Fandrahonana ho faty ireto farany mihitsy izany raha toa ka miditra ao izy ireo, hoy hatrany ity petadrindrina ity. Manoloana izay indrindra dia voatery nampiato ny fampianarana rehetra ireo mpampianatra ao amin’ny siansa mba hiarovana ny ain’izy ireo. Manameloka ny trangana fampihorohona mpanabe koa izy ireo ka manao antso avo amin’ny fanjakana mahefa mikasika ity raharaha fandrahonana mpampianatra ity. Nilaza ny solontenan’ireo mpampianatra fa tsy mbola fantatra ny fe-potoana hiverenan’ny fampianarana eny an-toerana raha tsy ara-dalàna ny fandriampahalemana eny amin’ny campus Ambondrona. Tsy milamina hatrany ny raharahan’ny oniversite Mahajanga izay efa tafakatra 2 taona nihetsehan’ireo mpianatra. Tsikaritra fa toa lasa mpianatra indray no mibaiko ny minisitera ny fampianarana ambony ka rehefa misy zavatra tsy mifanaraka amin’ny sain’izy ireo dia ny fandrahonana fitokonana sy ho faty ny mpampianatra no miseho. Ho hita eo indray izany ny mety ho tohin’ny tantara ao Mahajanga.

Tolin

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT