Actualités

Oniversite Mahajanga Ho lasa fitantanam-pianakaviana


  • Alakamisy 19 Aogositra 2010

Raha olana momba ny vatsimpianarana sy tetibola fampandehanan-draharaha no re sy mafanafana ny fitakiana azy eny amin’ny oniversite eto Antananarivo dia zavatra hafa mihitsy indray no heno ao Mahajanga.

Ny fitantanana amin’ny ankapobeny, indrindra ny mpiasa, indray any no ahenoana feo hafahafa, ary lasa resabe ao an-tanàna ankehitriny. Tsy ao Ambondrona ihany fa hatrao Androva misy ny hopitaly mifampiankina amin’ny oniversite, dia samy andrenesam-baovao avokoa. Ny iraisany dia ny hoe : mila ho fitantanam-pianakaviana ny ao amin’ny oniversiten’i Mahajanga ankehitriny.

Vaovao ny mpitondra ao. Ny Pr Rabesa Zafera Antoine, izay efa ministra tamin’ny Repoblika faharoa no ambasadaoro taloha ihany koa, no filohany. Ny volana mey 2010 izy no nandray ofisialy ny fitantanana ity sekoly ambaratonga ambony ity. Miova andriana, hono, miova sata. Manana ny fomba fiasany sy ny fomba fitantanany izy. Ny tanjona dia tokony hanao izay hampiroborobo ny fampianarana sy ny fikarohana ao amin’ity oniversite ity. Fepetra maro anefa no tsy maintsy tanteraka raha tiana ny hahazo vokatra tsara, anisan’izany ny fitantanana ankapobeny, tafiditra ao ny fitantanana ny mpiasa sy ny mahaolona azy, ny hoenti-manana ara-pitaovana. Eo indrindra anefa no misy indro kely, araka ny angom-baovao avy any an-toerana. Tsy dia nankasitrahan’ny ankamaroan’ny mpiasa tao amin’ity oniversite ity ny fomba nanilihana ny mpiambina tao, nisy dimy izy ireo no indray voafaoka tao,  dia nisy nalefa any Mandritsara any. Toy izany koa ny mpamily. Ity farany toa resaka faktiora tsy nalainy fa manenjika azy ny eritreriny, no lasa heloka ho azy. Mifamahofaho be ihany koa ny resaka mikasika ny fampifangaroana ny fananan’ny tena sy fananan’ny oniversite, toy ny fiara ampisaina amin’ny fampandehanan-draharaha.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT