Raha ny fizotry ny raharaha amin’izao fotoana dia hikorontana tanteraka ny fampianarana eny amin’ny oniversite ary dia tsy ho azo ihodivirana ny taona fotsy.
Raha ny tena marina mantsy dia maharitra telo herinandro eo ny fanadinana fihodinana voalohany, ary matetika dia ny volana aogositra aorian’ny fahavitan’ny bakalôrea no hanatanterahana azy io. Miato kely 15 andro indray aloha, mandra-pivoakan’ny voka-panadinana sy ny fandaharam-potoana ho amin’ny fihodinana faharoa dia raikitra indray izany fihodinana faharoa izany ho an’ireo mpianatra manana taranja tsy maintsy averina. Tsy latsaky ny roa herinandro izany, ary aorian’izay no miroso amin’ny fitsarana ny mpampianatra ary dia mivoaka amin’izay avy eo ny valim-panadinana hamaranana tanteraka ny taom-pianarana.
Raha atambatra ireo rehetra ireo dia eo ho eo amin’ny fito herinandro eo, izany hoe roa volana, iray volana anefa sisa dia ho tapitra ny taona 2010, ary sarotra ihany ny hino fa hivaha ato anatin’ny herinandro ny olan’ny mpampianatra mpikaroka, ary na izay aza no mitranga dia tsy hisy koa izany fanadinana mialoha ny krismasy ny ny fetin’ny faran’ny taona izany satria mody any an-tanindrazana mijery ireo ray aman-dreny ny mpianatra isaky ny oniversite enina manerana ny nosy, ary efa maro rahateo ny mpianatra nody noho ity fikatsoana eny amin’ny oniversite ity. Koa na dia miezaka ny mandamina sy manazava aza ny avy ao amin’ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony, izay mbola nilazan’i Tongavelo Athanase fa tsy hisy taona fotsy izany, dia tsy misy fanafana intsony fa efa loza mihatra fa tsy loza manambana ny taona fotsy, ary hitarika fikorontanana amin’ny taom-pianarana manaraka io. Marihana kosa anefa fa niatrika fanadinana tsara ny eny amin’ny Polytechnique Vontovorona, nisy departemanta sasany ao amin’ny Oniversiten’Antsiranana koa, fa tsy nikatso tahaka ny any amin’ny oniversite hafa ; ny tsy fantatra mazava kosa dia ny hoe hitsara ny taratasim-panadinana ary hamoaka ny voka-panadinana ve ireo mpampianatra eny an-toerana sa hitokona koa rehefa vita ny fanadinana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.