Actualités

Oniversite Antsiranana Nisy nandoro ny fiaran’ny “Lettres”, birao maro vaky fitaratra


  • Alakamisy 15 Novambra 2012

May omaly maraina ny fiara iray Peugeot 405 an’ny Fakioltenan’ny teny aman-tsoratra nipetraka teo anoloan’ny biraon’ny filohan’ny oniversite Antsiranana ao amin’ny Campus Lazaret, vaky ny ankamaroan’ny fitaratra tao amin’ity toerana ity.

 Izay no vokatry ny fihetsiketsehan’ny mpianatry ny oniversiten’Antsiranana mitaky ny hanomezana azy ireo ny vatsimpianarana sy ny hahafahana mipetraka ao amin’ny “Belle rose” trano misy rihana telo, namboarina hitoeran’ny mpianatra. Feno miaramila ao anatin’ny Oniversite omaly. Efa any an-toerana ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Razafindehibe Etienne mikaon-doha miaraka amin’ireo mpitondra ao an-toerana mikaroka vahaolana handaminana ity raharaha ity. Efa hatramin’ny 05 novambra rahateo no mikatso tsy misy asa mandeha, na fampianarana na fampandehanan-draharahan’ny oniversite, ao Lazaret noho io grevin’ny mpianatra io. Mikasika ireo mpianatra 5 nosamborin’ny emmo-Reg ny talata teo, dia efa navotsotra ny efatra, fa ny iray kosa mbola notanana nanaovana fanadihadiana, amina raharaha hafa mahakasika azy araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT