Actualités

Oniversite Ankatso Nitokona koa ny DEGS


  • Alarobia 22 Aprily 2015

Tsy mbola milamina ny raharaha eny amin’ny Anjerimanontolo eny Ankatso. Raha nisento kely ny mpianatra ho mpitsabo izay nitaky ny vatsim-pianaran’izy ireo sy ny vatsim-piofanana omaly dia ny mpianatra ao amin’ny sampana lalàna sy fitantanana (DEGS) indray no niditra an-tsehatra

 

. Omaly tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany ary dia voatery noravana mihitsy ny fianaran’ireo mpianatra taona voalohany amin’ny sampana lalàna noho ny horakoraka tao an-tokotanin’ny « demi-tonneau » teny Ankatso. Tonga teny an-toerana ihany koa ny mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny Emmoreg ka vetivety ihany dia nilamina ny  raharaha. Ny tolakandro raha niditra ny efitrano fianarana ihany koa ireo taona voalohany amin’ny sampana fitantanana  dia mbola nisy ny  sahoan-dresaka ny mety hahatongavan’ireo mpitokona fa tontosa soa aman-tsara  ihany ny fianaran’izy ireo. Raha hatrany amin’ny volana novambra 2014no nisy tsy voaloa ny  vatsim-pianaran’ny mpianatra ho  mpitsabo dia nanomboka  ny volana febroary 2015 kosa ny  an’ny mpianatra lalàna taona voalohany.  Araka  ny vaovao voaray dia mbola hitohy izao hetsiky ny mpianatra izao mandra-pahazoan’izy ireo ny fandaharam-potoana handoavana ny  vatsim-pianaran’izy ireo.

Andry Ratovo  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT