Actualités

Oniversite Ahiana “hipoaka” tsy ho ela ny hatezeran’ny mpianatra


  • Alakamisy 12 Aogositra 2010


Amin’ny zoma izao no fe-potoana farany nomen’ny mpianatry ny oniversiten’Ambohitsaina ny tompon’andraikitra eo amin’ny fitondrana mba hamaha ny olana momba ny grevin’ny mpandraharaha ka hahafahan’ny fampianarana miverina amin’ny laoniny. Hatreto anefa dia toa mbola manjavozavo hatrany ary tsy mbola misy ny vahaolana tena mivaingana nivoaka. Etsy andanin’izany, raha ny vaovao azo dia hanatona ireo mpianatr’Ankatso ireo koa ireo namany izay mianatra etsy amin’ny Polytechnique Vontovorona izay raha tsiahivina dia voatery niato koa ny fampianarana noho ny tsy faneken’ny mpampianatra hanao ny asany intsony rehefa tsy voaloa ny tambin-karamany. Ireo tranga roa ireo no ahian’ny mpanara-baovao fa mety hafanafana ny eny amin’ny anjerimanontolo ato ho ato. Ny marimarina kokoa amin’ny fiandohan’ny herinandro ho avy izao. Tezitra ny mpianatra satria ny ankamaroan’ireo dia tena ao anatin’ny dingana farany mialoha ny fanadinana mihitsy no izao voan’ny tery vay manta izao. Tsy ferana ny mety hisian’ny taona fotsy ho an’ny sasany satria rehefa zohiana dia ny fanjakana mihitsy no tsy manam-bola na koa tsy manisy sira loatra ny tontolon’ny fampianarana ambony. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT