Actualités

Onitiana Realy sy Eléonore Johasy Vaky ny ady !


  • Alarobia 29 Aprily 2015

Nanoratra taratasy misokatra ho an’ny minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy, Onitiana Realy i Eléonore Johasy izay nisahana io minisitera io teo aloha

 


. Be loatra ny fanakianana sy fanosoram-potaka efa tena miendrika fanalam-baraka ahy, hoy i Eléonore Johasy ka tsy afaka ny hangina fotsiny amin’izao aho. Noheverina fa mba hitondra aina vao kanefa toa nandiso fanantenana ny minisitra Onitiana Realy, hoy izy. Nambaran’ity minisitra teo aloha ity fa ny fitsikilovana sy fitsongolohana  ny zavatra nataony teo aloha no toa mahamaika ny mpitantana vaovao ao amin’ny minisiteran’ny mponina fa tsy izay hahasoa ny vahoaka. Tena ilaina ny fanakianana mba hanatsarana zavatra, hoy izy, saingy tsy azo leferina kosa ny fanitsakitsahana ny zo aman-kasina. Raha misy ny tsy nety na mampiahiahy tamin’ny fitantanana ny minisitera dia efa misy ny « Haute cour de justice » afaka mitsara ireo mpitondra fanjakana, ao koa ny « inspection d’état », ny fanadihadiana manokana azon’ny parlemanta sy ny Bianco atao. Aleo ireny rafitra ireny no handray an-tanana ny raharaha fa tsy resabe fanaratsiana amin’ny haino aman-jery no atao momba ahy, hoy i Eleonore Johasy. Mba mampieritreritra ihany, hoy ity minisitra teo aloha ity, ny hoe : resaka nifanaovana tamin’ny telefaonina na izay tranga rehetra mety hiseho dia hiampita avy hatrany amin’ny onjam-peo. Tena nifandona tokoa ny fiarako ny zoma 24 aprily, hoy i Eléonore Johasy, saingy nisy kosa ny firesahana izany tamin’ny onjam-peo amin’ny fomba mivilana. Andrasana izay mety hambaran’ny minisitra Onitiana Realy aorian’ity taratasy misokatra ho azy ity. Ny azo antoka aloha dia vaky ny ady eo amin’ny roa tonta e !


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT