Ny loto, ny fiparitahan’ny fako etsy sy eroa amin’ny ankapobeny no tena manimba ny tontolo iainana eto amintsika izay zary misy fiantraikany goavana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Ho antsika eto Madagasikara manokana dia fantatra fa isika no firenena fahatelo mizaka ny voka-dratsy ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro, antony nanosika ny Ong Dago Green hikarakara fifaninanana momba ny fanodinana fako ho an’ny sekoly tsirairay avy. Ireo mpianatry ny kolejy sy ny lisea eto an-drenivohitra sy ny manodidina no voakasika. Ny tanjona dia ny hanentanana ny tsirairay ho tonga saina amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana 2017-2018 ho avy izao no hanomboka ny fifaninanana saingy efa azo hatao ao amin’ny pejy facebook-n’ity ONG iray ity sahady ny fisoratana anarana. Anisan’ny hojerena ao anatin’ny fifaninanana ny fahaizan’ny mpianatra iray mifantina ireo karazana fako azo hahodina, ny fomba hanodinany azy ary ireo karazam-pitaovana ilaina mety havoakany na koa akora vaovao. Tsiahivina fa fikambanana tanora manana tanjona handray an-tanana ny fiarovana ny tontolo iainana ny Ong Dago Green ary hiezaka hanaparitaka izany amin’ireo tanora mitovy aminy mba ho fampandrosoana ny firenena.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.