Mila hampiteny ny moana mihitsy ankehitriny ny fandrenesana ny olona tsy mifidy sokajy miteny ratsy ankitsirano izao imasom-bahoaka. Tena mankadilo sofina mihitsy, hoy ny fanamarihana azo, ary tsy misy firarahiana ny fisian’ny olom-izany intsony. Eny amin’ny toby fiantsonan’ny fiara fitateran’olona na ny zotra nasionaly, na ny zotra rezionaly, na koa eny
amin’ny “terminus” an’ireo taxi-be etsy sy eroa no tena mahazo laka ny teny ratsy imasom-bahoaka. Raha nanontaniana ny amin’ity tranga ity ny kaomisera Ranaivoson Alexandre Sylvain etsy Anosy dia nanambara fa andraikitry ny mpitandro ny filaminana ny miteny mora sy mananatra am-bava ireo olona manao izany, raha mbola mitohy manao ny ataony ny voakasika dia entina eny amin’ny tobin’ny mpitandro ny filaminana hanarina mafimafy kokoa. Raha mbola be kiriana tsy mankato ny fitenenana mora azy ilay olona dia mety hiakatra ambonimbony kokoa ny fitenenana azy ary mety hiafara any amin’ny fanasaziana mafy azy aza amin’ny farany, hoy ity Kaomisera ity. Raha manompa olona manokana kosa ny olona iray dia azo toriana ka hisy fandoavana sazy sy fidirana am-ponja mihitsy aza amin’izany araka ny lalàna mbola manankery eto amintsika. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fanalam-baraka olona imasom-bahoaka koa ireny manompa olona amin’ny “klaxon” n’ny fiara ireny ka azo toriana soa aman-tsara, hoy ihany ny Kaomisera Alexandre.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.