Manameloka ny fihetsika feno herisetra nasehon’ny zandary tamin’ny mpianatra Randrianamboarina Jean Pierre ny OMDHL (Observatoire Malgache de Droits de L’Homme ) sy ny FIMPA na ny Farahamonim-pirenena Miaro ny zon’ny Mpanjifa sampana Mahitsy Ambohidratrimo tarihan’ny filohany avy.
Mitaky marindrano ny fanenjehana an’ireo tompon’andraikitra nahavanona ireny fihetsika ireny izy ireo. Voalazan’ny «Satan’ny maha olona» izay nataontsika Malagasy sonia ny fanamelohana izany. Ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina rahateo sy ny praiminisitra samy nilaza fa tsy nisy nanome baiko tamin’ny nanaovana ireny fihetsika ireny. Nambaran’izy ireo fa tsy nahafa-po azy ny didy nivoaka mikasika an’iny raharaha iny. “ Olona iray tsy namaly velively sy nanaovana tambabe indray ve no melohina ?”, hoy izy ireo
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.