Actualités

Olona sembana Vonona ny drafitra hiahy azy ireo


  • Zoma 27 Martsa 2015

Mbola mahatsiaro voailika hatrany hatramin’izao ireo olona manana fahasembanana eto amintsika. Ankoatra ny tsy fanomezana asa azy ireo na dia zakan’ny fahaizany sy vitany ara-dalàna aza izany dia betsaka ireo misedra olana toy ny esoeso sy ny tondro molotra ataon’ny hafa ...

 

 Mba ho fanampiana azy ireo ary dia nampahafantarina omaly ny drafitra nasionaly hahafahana miampy azy ireo izay hiarahan’ny minisitera rehetra, rehefa novolavolain’ny vovonan’ny fikambanana miahy ny olona manana fahasembanana eto amintsika nanomboka ny volana desambra lasa teo. Tafiditra ao anatin’io drafitra io ny fanomezana asa mifanaraka amin’ny fahaizan’izy ireo, ny mikasika ny fikarakarana ny toe-pahasalamany manokana, ny lafiny fiofanana, ny fampianarana… Anisan’ny andrasana amin’ny fampiharana io drafitra io moa ny fampivoarana ny olona manana fahasembanana izay nomarihin’ny mpandrindra ny vovonana Radafiniantsoa Josoa,  fa zon’izy ireo tanteraka ny misitraka izany satria olombelona manan-jo tahaka ny rehetra ny olona manana  fahasembanana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT