Nahatratra 72 isa ireo trano rava vokatry ny ora-nikija farany teo tao amin’ny kaominina Ambohijanaka Atsimondrano.
Olona manodidina ny 349 no lasibatra tamin’izany. Trano nihotsaka avokoa ny ankamaroan’ireo trano ireo, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Ratsimbazafy Alain. Tsy nisy kosa ny tondra-drano. Mba ho fanampiana azy ireo dia nanolotra fanomezana toy ny vary, labozia, sira…ho azy ireo ny kaominina omaly, notohanan’ireo malala-tanana eny an-toerana toy ny sekoly sy ny fiangonana. Ankoatra izay dia nanambara ny Ben’ny tanàna fa ho maimaimpoana ny fangatahana fanaovana biriky ho an’ireo fianakaviana rava trano ireo. Hitadiavana malala-tanana ihany koa ny fananganana ireo trano rava rehetra raha hangatahina fanampiana amin’ny orinasa Colas kosa ny fanamboarana ny lalana simba manodidina ny 15 km eo ho eo.
Patty
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.