Actualités

Olona milaza ho akaiky ny filoham-pirenena Mibodo tanin’olona ao Analavory


  • Sabotsy 11 Novambra 2017

Tany mirefy 152 ha ao amin’ny fokontanin’Ambatomitsangana, kaominin’Analavory, faritra Itasy,

 izay ivelomana olona aman’arivony nandritry ny 30 taona no voalaza fa tadiavina olona milaza azy ho akaiky ny filoham-pirenena ho esorina amin’ny taniny, raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana. Araka ny nambaran’ny lehiben’ny fokontany dia na ny toerana misy ilay tany aza tsy hitan’ireo tompony akory. Ny sabotsy 14 oktobra no nandalo tao amin’ny ben’ny tanàna sy tao amin’ny lehibem-pokontany ao Ambatomitsangana ireo olona milaza fa havana akaikin’ny filoha ireo.

Tany an-tranon’ny ben’ny tanàna

Tany an-trano fonenan’ny ben’ny tanàna no nisy ny fihaonana fa tsy tany amin’ny biraon’ny kaominina ary i Tiana Rajaonarimampianina sy lehilahy iray mitonona ho vinanton'ny filoha no tonga tao amin'ny sefom pokontany tamin'io fotoana io, raha ny filazany. Nanangana fikambanana hiarovan-tena moa ireto tantsaha ireto ary nilaza fa efa maro ny dingana nataon’izy ireo ahazoana ny tany ara-dalàna saingy arirariran’ny mpiasan’ny fananantany hatrany ireo tantsaha. Ny zoma 29 oktobra no efa raikitra fa tokony hanao fitsirihana ilay tany ny mpiasan’ny sampandraharahan’ny Fananan-tany ao amin’ny distrikan’Arivonimamo mba hahafahan’ny fokonolona manomboka ny dingana rehetra ara-taratasy ho fisitrahany ny tany ara-dalàna. Nahemotra ny zoma 3 novambra teo indray fa tsy mbola raikitra ihany ka mampiahiahy ny mponina mihitsy no mahatonga izany.  Nanamafy ny avy eo anivon’ny fitantanana ny kaominina ao Analavory fa misy mampiahiahy ny taratasy mikasika ity tany ity. Tsikaritra mantsy fa miovaova ny anaran’ilay orinasan’ny voanjo tompon-tany fahiny teto rehefa nojerena ny taratasin-tany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT