Tsy mbola misitraka araka ny tokony ho izy ny zony ireo olona manana fahasembanana eto amintsika na dia efa mihamivoatra aza izany, hoy ny fanazavan’ny “Plateforme des federations des personnes handicapés de Madagascar” omaly, nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana.
Vao ny 1 % -n’ireo ankizy sy tanora mpianatra ihany mantsy no mianatra manerana ny faritra 22 noho ny tsy fahampian’ny tranon-tsekoly voatokana handraisana azy ireny raha vao 1 % ihany koa ireo olon-dehibe sembana manan’asa ara-dalàna. Hetahetan’izy ireo ny hampiharana araka ny tokony ho izy ilay fifanarahana iraisam-pirenena mikasika ny zon’olona manana fahasembanana izay vao nosoniavin’ny firenentsika vao tsy ela akory izay. Filaharam-be namakivaky ny tanana niala teo Antanimbarinandriana nihazo ny kianja mitafon’i Mahamasina moa no nisantaran’izy ireo ny hetsika omaly, narahin’ny fanokafana ny “Coupe des club champions handisports de l’Océan Indien”, nandraisan’ireo olona manana fahasembanana anjara. Nisy ihany koa ny varotra fampirantiana ny asa tanan’izy ireo, notanterahin’ireo mpandray anjara miisa 15. Nofaranana tamin’ny fanolorana amboara nankasitrahana manokana an’i Madagasikara tamin’ny fanekeny nanao sonia io fifanarahana iraisam-pirenena io izany omaly hariva teny amin’ny Ibis Ankorondrano, niarahana tamin’ny vondrona Afrikanina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.