Heverina fa hanatsara ny fandaminana ny resaka fananan-tany eto Madagasikara ny lalàna vaovao momba ny fananan-tany izay efa lanin’ny parlemanta tamin’ny fotoam-pivoriana faharoa lasa teo iny,
hoy Atoa Hasimpirenena Rasolomampionona tale jeneralin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany. Voaresaka ao anatin’io lalàna ahitana andininy 129 io ny resaka fanoratana tany, ny fifampivarotana tany, ny fanaovana dokambarotra momba ny varotra tany sy ny fampanofana tany amin’ny fotoana maharitra. Hahafahana manafaingana ny fanamboarana taratasy io lalàna vaovao io, hoy ny tale jeneraly ary tsy ho olana intsony ny hoe rovitra na tsy hita ilay bokin-tany satria misy ny paikady vaovao napetraka. Mahatonga ny ady lova sy fifandrafiana eo amin’ny fianakaviana maro amin’izao fotoana ny tsy fahavitan’ny taratasy famindrana lova mazava tsara sy ara-dalàna avy amin’ireo raiamandreny tany aloha kanefa ny taranaka efa mitombo isa be. Hamoraina sy hafainganina ny fanamboarana ny taratasina lova sy ny fametrahana taratasin-tany eny amin’ny fitsarana ary ny fanamboarana bokin-tany vaovao mihitsy, araka io lalàna vaovao io. Voalaza ihany koa fa ireo tanin’ny vahiny fony fanjanahantany ka tsy misy mipetraka na mampiasa intsony tonga dia alain’ny fanjakana Malagasy avy hatrany. Raha nisy kosa ny tany izay efa nisy nipetraka na namboly, izany hoe nanamaintimolaly dia hozaraina avy hatrany amin’ireo olona eo ny tany, araka ny fandaminan’ny fanjakana azy, hoy hatrany ny fanazavana. Tsy tokony hisy intsony ny olona mijoro ho tompon’ny tany mipoitra tampoka ka mandroaka olona an-jatony efa niaina sy nihary teo am-polony taona rehefa tena mihatra io lalàna io. Ankoatra izay, anisan’ny zava-dehibe ao anatin’ilay lalàna vaovao momba ny fananantany ny hoe : hatsangana ny fitsarana manokana momba ny ady tany izay afaka mitety vohitra ka anisan’ny mpikambana ao ny mpitsara, ny tompon’andraikitra avy amin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany, ny tompon’andraikitry ny kaominina, fokontany ary ny solontenan’ny fokonolona ao amin’ilay toerana mety misy olana ara-tany na hanaovana ny fanoratana tany. Ity rafi-pitsarana vaovao ity no heverina fa hamaha olana betsaka amin’ny resaka tany. Marihina fa ny ady tany no raharaha tena mibahan-toerana eny amin’ny fitsarana maneran an’i Madagasikara amin’izao fotoana. Tsy maintsy mbola miandry ny fivoahan’ny didy fampiharana azy vao tena manankery eto Madagasikara ity lalàna vaovao momba ny fananan-tany ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.