Actualités

Olona any amin’ny Faritra Miandry kendritohana ny FAT


  • Alakamisy 15 Jolay 2010


Efa manomboka mihazo ireo faritra ireo mpikarakara ny dinika nasionaly. Araka ny vaovao nampitain’ny depiote Raharisaina Hery dia tany amin’iny faritra DIANA iny ny solontenan’ireo Raiamandreny Mijoro. Nampivory olona izy ireo, kanefa dia tsy nisy tonga ny olona, tsy nety nivory ny vahoaka izay nilaza fa efa manana raimandreny. Tao Ambilobe, araka ny vaovao no nitrangan’ny seho. Fepetra roa kosa no napetraky ny tanora Zafy Albert handraisany anjara amin’io dinika nasionaly io. Eo aloha ny fivoahan’ireo gadra politika rehetra sy ny fandravana ny governemanta FAT sy ny mpikambana FAT eny Anosikely. Ho an’i Toliara indray dia fantatra fa miandry izay delegasion’ny FAT ny vahoaka, hoy ihany ny tanora avy amin’ny ankolafy Zafy Albert. Vonona ny olona, hoy izy ireo, hitsena ny FAT manomboka eny amin’ny seranam-piaramanidina. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT