Actualités

Olona 187 may trano teny Andohatapenaka Notoloran’ny CUA fanampiana


  • Alarobia 30 Aogositra 2017

Miisa 187 ireo mponina traboina vokatry ny hain-trano teny amin’ny fokontany Andohatapenaka I sy II ny alahady 27 aogositra teo.

 Tsy fantatra mazava ny tena nahatonga ny firehetana. Trano hazo avokoa anefa ireo teny an-toerana, ka nanamora ny fiparitahan’ny afo. May nandritra izany ny vola, ny entana tao an-tokantrano, ny lamba,… Samy somokotra nanavotra ny ainy avokoa ny tsirairay, ka na ny finday aza  kilan’ny afo, ka izay indrindra no nahatara ny fiantsoana ny mpamonjy voina. Tsy mijery fotsiny ny zava-misy tahaka izao ny Fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra fa nitondra izay  voatsirambin’ny tanana ho fanampiana ireo traboina ireo. Nisy ireo solotenan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra sy ny mpiara-miasa nitondra fanampiana teny an-toerana ny alatsinainy teo, izay nanolotra vary, voamaina, fitaovana fidiovana toy ny koveta sy savony, akora fanadiovana rano, ary « balatum ». Ankoatra ireo fanampiana izay nentin’ny solontenan’ny Ben’ny tanàna, dia nanentana ireo mponina ihany koa izy ireo mba hitandrina tsara tsy hiverenan’ny loza toy izao intsony.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT