Actualités

Olon’ny FAT “PV” sandoka no nitondrany «bois de rose»


  • Zoma 16 Jolay 2010

Mivoatra hatrany ny vaovao manodidina ireo “bois de rose” saron’ny polisin’ny FIP tao Ampilaholava Ambalamanasa Toamasina ny alarobia 14 jolay teo.

Vao maraina tokony ho tamin’ny 07ora no nahitana azy ity, raha samy nikaroka azy ireo mpitandro ny filaminana nahitana ny zandary, polisy ary ny miaramila. Nisy avy hatrany moa ny fanagiazana ireto “bois de rose” tratra ireto. Niroso avy hatrany koa ny fanadihadiana ka ny polisy no mitarika azy satria ny sampana hery vonjitaitra “police d’intervention (FIP)” no nahasarona azy.

Fantatra tamin’izany fa miisa 161 ireo bolabola tao anatin’ireo fiara vaventy telo tratra tamin’io andro io. Manaraka izay dia “PV” sandoka indray koa no nampiasain’ny tompon’ireto bolabola tratra ireto nentiny nitaterana ny hazo nankao Toamasina. Tamin’ireo fiara telo tratra dia nitondra “bois de rose” miisa 32 ny fiara voalohany, nahitana “bois de rose” 63 ny fiara faharoa ary hazo 66 no tao amin’ilay fiara fahatelo. Olon’izao fitondrana FAT izao ihany moa no tompon’ireto hazo sarobidy ireto ary voalaza fa nampiasa taratasy hosoka. Misy zandary iray sy polisy iray avy ao Toamasina samy ambony grady ary nanao fanamiana sivily nanaraka ireo andramena ireo no fantatra fa nokaramaina manokana nanamboatra ny “PV” nitondrana ny hazo. Tao Ampilaholava Ambalamanasa no sarona ireto fiara vaventy ireto, raha avy notadiavina taorian’ny fampitam-baovao azon’ny mpitandro ny filaminana. Raha niresaka mangina tamin’ireo mpamily ny fiara vaventy nitatitra ireto “bois de rose” ireto ny mpanao gazety dia nanambara izy ireo fa “nampiseho PV (taratasy firaketana) fa nogiazan’ny Fanjakana ireto hazo bolabola ireo ilay rangahy miendrika karana sy ireo milaza ho zandary roalahy niaraka taminy, ka tsy maintsy taterina any Toamasina”. Teo amoron-dalan’i Mahambo moa no nambaran’izy ireo fa nakana ireo bolabola raha avy notaomina avy any an-dranomasina tokony ho tamin’ny 07 ora hariva ny talata 13 jolay. Voalazan’ireo mpamily nanontaniana ihany fa tsy izy ireo mivantana no nahita ity lehilahy somary karana endrika milaza fa solontenam-panjakana hanageja ireto bolabola ireto fa mpanera ao Mahambo.
 
“Ny hany nifanarahanay fotsiny dia 300.000 ariary isaky ny fiara vaventy no hitaomanay ireo hazo ireo ho ao Ampilaholava Ambalamanasa. Mbola izahay aza no nangataka fa tsy maintsy manaraka anay ianareo Fanjakana mpanao ‘saisie’ ireo tsy hisian’ny olana eny an-dalana, dia nanaiky izy ireo fa nandeha ilay fiara 4x4 tao aorianay”. Notsindrian’ireto mpamily ireto hatrany fa “efa tonga soa aman-tsara tao an-dakoro (fefy) nanaterana ny entana hogiazana ny fiara vaventy nentinay tamin’ny 06ora maraina ny alarobia 14 jolay, dia lasa nody izahay aloha hatory sy hikarakara vatana. Kinanjo raha tonga ny tamin’ny 09ora, voaantson’ny mpitandro ny filaminana izahay fa nitondra bolabola voarara ka teo vao samy taitra nefa tsy maintsy natrehina ny zava-misy fa ny tena no nitatitra ireo hazo voarara ireo”.
 
Nafindra anaty fiara vaventy hafa (semi-remorque) iray ireto bolabola ireto ny alakamisy 15 jolay antoandro, fa haterina eto Antananarivo ary hogiazana manokana aty. Omaly hariva no niala tao amin’ny “groupement”-n’ny zandary Atsinanana ny fiara vaventy manokana nitondra ireto bolabola 161 ireto. Mpitandro ny filaminana avy amin’ny zandary sy ny polisy ary ny miaramila izay tarihan’ny komandin’ny “groupement”-n’ny zandary ny faritra Atsinanana. Ankoatra izay anefa, dia fantatra izao fa ilay bolabola 118 saron’ny zandary ny 06 jolay teo dia ny Talem-paritry ny tontolo iainana sy ny ala (DIREF) no manageja azy any aminy, ilay bolabola tratra ny 04 jolay kosa dia ny Task-Forces sy ny FIS no misahana ny fanagiazana azy. Ny polisy sy ny zandary izany ao Toamasina dia mpanao fanadihadiana sy mpisambotra fotsiny, fa tsy mahalala izay hiafaran’ireo hazo bolabola tratra ireo raha vao miala eo aminy.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT