Isa 66 amin’ny 100 ny taona 2013 ary 63 amin’ny 100 ny taona 2014 no azon’i Madagasikara tamin’ny tondro «Freedom House» mikasika ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety.
Tarehimarika mampiseho ny tsy fahafahan’ny mpanao gazety mitrandraka araka ny tokony ho izy ny fanomezam-baovao ho an’ny mpiara-belona noho ny tsy fisian’ny lalàna miaro ny asa fikirakiram-baovao. Manome vahana ireo manampahefana rahateo ny lalàna velona momba ny fanalam-baraka azo hanenjehana sy hanamelohana ireo mpanao gazety mamoaka vaovao saro-pady na nanaovana fanadihadiana manokana mahakasika ireo mpitondra fanjakana na olona ambony eto amin’ny firenena. Mametraka hisatra avy hatrany ireo mpanao gazety amin’ny fikaroham-baovao tontosain’izy ireo noho io sakana avy amin’ny manampahefana io. Anisan’ireo firenena vitsy tsy ahitana lalàna manome antoka ireo zon’ny olom-pirenena hahazo vaovao malalaka i Madagasikara. Efa misy ihany ny volavolan-dalàna mifehy ny serasera saingy andrasana hatramin’izao ny fandinihan’ny Filankevitry ny minisitra mialoha ny fankatoavana azy eny anivon’ny Antenimieram-pirenena. Namolavola fifanarahana mikasika ny fisitraham-baovao malalaka ihany koa ny firaisamonim-pirenena saingy mbola lavitry ny kitay ny afo. Voalazan’ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4 ao amin’ny andininy faha-10 sy faha-11 ary hamafisin’ny Tondrozotra ao amin’ny andininy faha-17 moa io fisitraham-baovao malalaka ho an’ny olom-pirenena io.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.