Ny mpandraharaha no mamelona ny toekarena Malagasy ary ny 70%-n’ny entana miditra eto Madagasikara dia mandalo ao amin’ny seranan-tsambon’i Tomasina avokoa.
Tara loatra anefa ny fivoahan’ny entana ao amin’ny MICTSL. Nampiaka-peo mihitsy ny mpamily kamiao satria adiny 3 ny hamatsiana kamio 1 kanefa lava ny filaharana ary mahatratra 3 na 4 andro. Ankoatra ny fiandrasana ela dia ela dia misy ihany koa ilay lalàna mipetraka izay mandrara ny mpamily tsy hivoaka anatin’ny fiara ao anatin’ny faritry ny MICTSL ka mitondra faharerahana sy fahasorenana. Izany rehetra izany no antony nampitokona ireo mpamily tamin’ny alarobia teo. Nisy ihany moa ny fihaonana sy fifampiraharahana tamin’ny tompon’andraikitra tamin’ny alakamisy teo. Taorin’izay dia nampirisihana ireo kamionera nitokona tsy hibahan-dalana ary efa niditra tsikelikely ireo fiarabe nizotra naka ny entany. Ny tsy fahampian’ny fitaovana koa no tena miteraka fahatarana, araka ny fampitam-baovao. Maro mantsy ireo fitaovana simba sy efa tokony hisolo mahakasika ny famoahana entana. Tokony hojerena haingana izao olana izao satria miteraka korontana, indrindra ny amin’ireo mpandraharaha miandry ny entany izay efa tokony hamidy mialoha ny fetin’ny paska. Iaraha-mahita ny fahavitsin’ny mpandray anjara amin’ny “grande braderie” noho ny fahataran’ny entana. In-telo ny minisitra no nandalo tany niezaka namaha ny olana saingy tsy mandeha amin’izay tokony ho izy. Mbola iandrasana fotoana amin’ny 27 sy 28 aprily indray aza moa ny fifampidinihana kanefa maro ireo mpandraharaha efa velon-taraina sy tara fampiasam-bola.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.