Actualités

Olan’ny MICTSL ao Toamasina Manambana hitokona ireo “Transitaires”


  • Sabotsy 25 Novambra 2017

Manome fe-potoana herinandro, izany hoe 7 andro ny orinasa Mictsl misahana ny fandraharahana ny kaontenera ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo vondron’ny mpandraharaha mpamoaka entana na “Transitaires”

 

 ao anatin’ny GTM mba hamahana ny olana mampitarazoka ny asa. Nihaona tao amin’ny foiben’ny Mictsl Ampasimazava Toamasina omaly ny tompon’andraikitr’ity orinasa ity sy ny solontenan’ny fikambanan’ny Transitaires eto Madagasikara. Tsy mbola nisy ny marimaritra iraisana nivoaka tamin’ny fihaonana saingy namerina nilaza ny marary azy ireo “transitaires”. Lasa misy akony ratsy amin’ny asanay ny faharatsian’ny fitaovan’ny Mictsl sy ny fitarazohan’ny fomba fiasa, hoy izy ireo. Lasa 4 andro be izao mantsy vao tafavoaka ny kaontenera amin’izao fotoana, raha 2 andro teo aloha.Misy vola aloa sazy isan’andro anefa raha vao tsy tafavoaka ara-potoana ny entana izay 40 000 Ar ka hatramin’ny 80 000 isan’andro arakaraky ny hadirin’ny kaontenera. Miteraka olana eo amin’ny mpandraharaha mpamoaka entana sy ireo olona miara-miasa amin’izy ireo avy eo io fahatarana io sady mampitombo ny vola lany ihany koa, izay mitarika avy hatrany fiakaran’ny vidin’ireo entana rehefa tonga eny amin’ny tsena. Mahatsapa tena ireto mpandraharaha mpamoaka entana ireto fa misy endrika fanararaotana ilay fomba fiasa mitarazoka ataon’ny Mictsl. Hiroso amin’ny fitokonana ireo “transitaires” aorian’io 7 andro io raha toa ka tsy mahita vahaolana mahomby ny orinasa Mictsl.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT