Voafitaky ny antontan-taratasy tsy izy ny mpiasan’ny fananan-tany, hoy ny fanazavan’Atoa Tsilavina Safidy Herizo, “inspecteur de domaine”.
Olona samy hafa, nefa samy mpandova ary taratasy iray ihany, ny “acte de notorité” no misy fahadisoany amin’izany, hoy ny nambarany.
Hanoratra tany
Raha hanoratra tany indray, tsy maintsy mila “certificate de situation juridique”, io no fototra hiangaina amin’ny fanaovana ny antontan-taratasy rehetra. Tsy maintsy misoratra ao anatin’ny bokin-tany ny anaran’ny tompon-tany. Raha rovitra ny boky misy ny anarana, dia manana ny kadasitra ny tompony ary hamoahan’ny fananan-tany “juridique” iny, vao afaka manao “mutation” ny tany, raha ilain’ny tompon-tany izany. Raha tany tsy nohajariana indray, nefa nangatahina, dia tsy maintsy hita maso ary hita fototra ny nanajariana ny tany ary jeren’ny mpiasan’ny fananan-tany koa ny momba azy. Tsy maintsy feno kosa ny antontan-taratasy izay vao afaka manao “décente” any an-toerana ny mpiasan’ny fananan-tany.
Mpandova
“Raha mpandova, dia misoratra amin’iza aloha ny tany ?”, hoy ny fanontaniana. Ilaina ny andinidininy sy ny antontan-taratasy amin’izany, toy ny “certificate situation juridique”, “acte de décès”, “acte de notorité”, « acte de partage » ary kadasitra, dia ampidirina eny amin’ny biraon’ny fananan-tany avy eo. Maka « plan » telo sy « autorisation morcellement » any amin’ny biraon’ny fananjariana ny tany koa, dia any amin’ny « enregistrement d’impot » no farany anaterana ny taratasy. Feno tanteraka ny antontan-taratasy rehetra izay vao alefa any amin’ny biraon’ny fananan-tany, raha ny fanazavany.
Raha tany any amin’ny faritra no misy olana, dia faritana tsara hoe, misy titra, kadasitra “titre à foncier” na Bif na Birao Ifotony ny Fananan-tany na tanim-panjakana ilay izy. Atao ny “transfert à l’Etat” na famindrana azy any amin’ny fanjakana. Nefa raha nisy olona nanajary ny tany an-taonany maro, dia azon’io olona io atao ny mangataka ilay tany ho azy na “perception actitive” no ilazana azy. Raha hividy tany indray, dia mankany amin’ny biraon’ny fananjariana ny tany, dia maka sary ilay tany sy ny “certificat juridique”.
Rangahy nanana olana
Ho an’Atoa Richard manokana mpiasan’ny Topo taloha, dia nanana olana izy. Ny anaran’ny ray aman-dreniny voasoratra tao anatin’ny “acte de notorité” sy “acte de décès” tsy nisy diso na litera iray aza, nefa nasaina nafindra tamin’ny anarany ny fananana, dia narirariran’ny mpiasan’ny fananan-tany izy, hoy ny nambarany. Teto Antananarivo Ville io olana voalohany io. Tany Antananarivo Atsimodrano ny faharoa, ny taona 1965, dia nivoaka indray ny didim-pananana sy ny fananganana, tsy nisy diso koa ny anaran’ny ray aman-dreniny. Ny “notaire” anefa efa nanamarina ny anarana sy ny sonia tamin’ny antontan-taratasy rehetra, nefa nolavin’ny tao amin’ny fananan-tany ary nalefan’izy ireo teny amin’ny fitsarana indray ilay rangahy. Roa taona no nambarany fa nampidirany ny dosieny fa tsy mbola nivaly ny fangatahany hatramin’izao ary navezivezy teny amin’ny fananan-tany foana izy, ka naneho ny alahelony sy ny fitarainany. Mpiasan’ny Topo taloha izaho no tratran’izao olana izao, hoy izy namarana ny fangatahiny.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.