Actualités

Olan’ny famatsiana solika Hita ihany ny marimaritra iraisana


  • Alakamisy 25 Jolay 2019

Nahita marimaritra iraisana momba ny saran' ny fitaterana solika ireo mpitatitra akoranafo eto Madagasikara.

 

 

 Efa herinandro maromaro no nikaon-doha ny orinasa Logistique Pétrolière SA (LPSA) sy ny fikambanana matihanina mpitatitra akoranafo sy solika (APTH) niarahana tamin' ny minisiteran' ny angovo sy akoranafo ary ny ofisim-pirenena misahana ny akoranafo (OMH). Nivoitra tamin' izany ny fifanarahana, izay haharitra 24 volana, miantoka famatsiana solika manerana ny nosy. Fifanarahana izay manome antoka amin' ny fisian' ny tahiry isaky ny tobin-tsolika mba hampisinda ny ahiahy amin’ny mety ho fahalanian’ny solika eto Madagasikara. Ankoatra izay, mba ahafahana manatsara ny fampandehanan-draharaha eo amin'ity sehatra ity dia hajoro ny vaomiera ara-teknika hisahana ny fanaraha-maso sy ny fijerena vahaolana maharitra. Hiverina amin' ny laoniny ny famatsiana solika manerana ny nosy.

 

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

Hijery ny tohiny
FTT