Actualités

Olana fototra mampitroatra ny polisy Efa ela loatra ny fampiakarana karama farany


  • Talata 05 Martsa 2019

Araka ny tafatafa manokana nifanaovana tamina polisy vitsivitsy, mbola mitoetra ho olana goavana ny karaman’izy ireo.

 

 

 

Tamin’ny fitondran’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana no nahitan’izy ireo izany fisondrotana karama farany izany. Ny mpitondra rehetra nifandimby taorian’izay tsy nisy nanome lanja izay valin-kasasaran’izy ireo izay. Raha dinihina amin’ny vidim-piainana, hoy hatrany ireo polisy izay tojo ny mpanao gazetinay, efa tsy misy lanjany izany karama izany. Misy moa naka ohatra tamin’ny vidim-javatra ilaina andavanandro mihitsy, tahaka ny fampitahana ny vidin’ny solika sy ny zavatra ilaina andavanandro tamin’izany 12 taona lasa izany. Misy tamin’ireo mpitandro filaminana hafa nefa voajery manokana taty aoriana. Milaza ho tsy mialona ireo Tafika na Zandary nahazo tombontsoa mandalo na maharitra nandritra ny fitondrana taty aoriana nefa izy ireo fa maniry aza ny mbola hiakaran’ny karaman’ny Miaramila namany sy ny azy ireo, indrindra manoloana izao ady mafy amin’ny tsy fandriampahalemana izao. Tsy mitovy ny asa tamin’izany 12 taona lasa izany sy ny ankehitriny, miaiky izy ireo efa mihanaka izay tsy izy ny tsy fandriam-pahalemana ary mihatra aman’aina mihitsy izany, manaporofo izany ny mpitandro filaminana mamoy ny ainy. Mandeha ny feo fa ny polisy anisan’ny manana mari-karama avo indrindra raha mitaha amin’ireo mpiasam-panjakana, eny hatramin’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra aza. Tsy nanda izany izy ireo fa nitodika amin’ny fitondram-panjakana izay mijoro mba hijery akaiky ny mpiasam-panjakana rehetra. Raha tamin’ny fitondran’ny Lehiben’ny antoko TIM tamin’izany hoy izy ireo dia manaiky ny maha-ambony azy fa raha amin’izao firimorimon’ny vidim-piainana izao, efa latsaka ambany izany. Nangataka ny tsy ho tononina anarana moa ireo mpitandro filaminana nizara ny vaovao sy nitondra ny famakafakana. Mitodika any amin’ireo fampanantenan’ny Filoha ankehitriny ny vahoaka Malagasy fa tsy ny Polisy ihany.

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

Hijery ny tohiny
FTT