Actualités

Olana eo amin’ny Malagasy sy ny Sinoa ``Aleo samy mitaiza ny adalany``, hoy i Johanesa Rakotonirina


  • Sabotsy 24 Febroary 2018

Rehefa misy fiarahamiasa amin`ny firenena roa dia samy mikatsaka ny tombontsoany ny roa tonta. Fanamafisana sy fampiroboana ny fiarahamiasa an`i Madagasikara sy Sina no tanjon`ny Fikambanana Fifankatiavan`ny Malagasy sy ny Sinoa izay tarihan` i Johanesa Rakotonirina.

 Manana andraikitra hampita amin`ny vahoaka Malagasy ny tombontsoa azon`ny firenena no tena asany. ``Maro tokoa ny olana no sedrain`ny firenena roa tonta indrindra teo amin`ny sehatry ny toekarena toa ny Raharaha Soamahamanina, Mananjary… Na ny lafiny sosialy ihany koa kanefa andraikitray eo anivon`ny Fikambanana no mananatra ireo mpandraharaha sy ireo  tompona orinasa sinoa miasa eto Madagasikara izay minia mandika ny fifanarahana natao ka aleo samy mananatra ny adalany`` hoy hatrany ny Filohan`ity fikambanana ity.

Fiofanana manokana

Miisa 25 ireo mpanao gazety Malagasy nahazo fiofanana momba ny “andraikitry ny mpanao gazety amin’ny sehatry ny toe-karena”. Ny fikambanan’ny fifankatiavan’ny Malagasy amin’ny firenena Sinoa no nanome ny fiofanana izay notontosaina ny Alakamisy 22 febroary lasa teo. Fampiofanana mahakasika ny fahaiza miampita vaovao indrindra ara-toekarena amin`ny mpanara-baovao na gazety izany na amin`ny haino aman-jery. Nitarika izany ny Filoha an`ny holafitry ny mpanao gazety, Atoa Rakotonirina Gerard izay nizara sy nampahafantatra ny olana sedraina rehefa mitrandraka vaovao ara-toekarena. Araky ny nambarany dia ``Sarotra ny mikaroka loharanom-baovao amin`ny sehatry ny toekarena satria lasa mifangaro amin’ny tontolo politika sy amin’ny fiainan`ireo mpandraharaha manokana ny fahazoana vaovao momba ny tombom-barotra sy ny tamberinandraikitra entin’ny orinasany”.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT