Misy olom-boafidy iray lisitra tamin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana ary misy lany tamin’ny alalan’ny antoko hafa ihany koa izahay mpanolotsaina monisipaly mijoro eto,
hoy ny mpitarika ireo mpanolotsaina voafidy tao amin’ny boriborintany faharoa, Joseph Ruffin Andriamandrato, nandritry ny tafa nifanaovan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Espace Dera Tsiadana, omaly. Manoloana ny olana misy eo amin’ny delegen’ny boriborintany sy ny mpiara-miasa aminy dia nanao fanambarana ireto mpanolotsaina voafidy tao an-toerana fa Raiamandreny mpanelanelana ary mampirisika ho amin’ny fifanatonana. Efa nanatona ny tale misahana ny lafiny lalàna eo anivon’ny kaominina mikasika io raharaha io izahay, hoy izy ireo, ary nanaiky izy ireo fa hitady ny vahaolana rehetra. Misy lalàna mifehy azy ny fanaovana fitokonana ka mba mila ampahafantarina izany koa ireo mpiasa hahalalany ny tokony hatao amin’ny manaraka.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.