Actualités

Olana ara-tokantrano Notifiriny ny vadiny, namono tena izy avy eo


  • Alatsinainy 23 Janoary 2017

Efa tena henjana loatra ve ny fiainana sa ny olona mihitsy no mafana ra ka tsy maintsy mamono rehefa misy ny zavatra tsy itovian-kevitra ? Mpandraharahan’ny fonja iray tokony ho 39 taona no nitifi-tena rehefa avy nitifitra ny vadiny tao Betafo ny alin’ny zoma 20 janoary lasa teo.

Efa tena henjana loatra ve ny fiainana sa ny olona mihitsy no mafana ra ka tsy maintsy mamono rehefa misy ny zavatra tsy itovian-kevitra ? Mpandraharahan’ny fonja iray tokony ho 39 taona no nitifi-tena rehefa avy nitifitra ny vadiny tao Betafo ny alin’ny zoma 20 janoary lasa teo. Raha ny loharanom-baovao avy tany an-toerana dia matetika no miady mivady izy roa ireo ary efa in’efatra no nisintaka ny tokantrano ramatoa vokatry ny vono mahazo azy. Asa izay nitranga ny alin’ny zoma tokony ho tamin’ny 12 ora alina fa dia vitan’ilay mpiandry fonja no nitifitra ny vadiny rehefa iny andeha hivoaka niaraka tamin’ny zanany sy ny entan-keliny ilay ramatoa. Taitra noho ny fahafatesan’ilay vadiny indray anefa izy ka dia nitifitra ny tenany teo amin’ny lohany ihany koa ka samy maty izy roa. Voalaza fa efa 12 taona niasana ny tenany izao nahavita namono olona sy namono tena izao. Efa nalain’ny fianakaviany ny sabotsy lasa teo ny razana ary voalaza fa ny havan-dramatoa no tonga voalohany tany nikarakara ny azy vao tonga ny havan-drangahy. Marihina fa vao 2 taona sy tapany sy 3 volana ireo zazakely roa zanak’izy ireo. Efa tena mateti-pitranga ny olana ara-piarahamonina na ny olana ao an-tokantrano mivadika ho famonoana tahaka izao. Tena manana olana ara-tsosialy ny Malagasy, miitatra zavatra hafa ary tena loza ny fahantrana, niitatra ny fitsaram-bahoaka ka efa miditra any amin’ny isan-tokantrano koa ankehitriny ka izay tezitra dia mihevitra fa manana zo hamono ho faty ny hafa.

Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT