Actualités

Olana ara-bola Ahiana hikatona ny Oniversite


  • Zoma 11 Jona 2010

Misedra olana ara-bola ny oniversite rehetra eto Madagasikara amin’izao fotoana. Nampidirina tamin’ny volana febroary 2010 ny mpianatra mba hilazana fa mandeha ny raharaham-pirenena tarihin’ny FAT

Vao tsy ela akory anefa izay dia nananosarotra ny fahitana vola handoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra. Saika «équipement» na fampitaovana fotsiny aloha no aloa kanjo nihetsika ny mpianatra ka voatery naloa ny vatsim-pianarana roa volana. Ankehitriny, efa tokony ho roa volana no haloa nefa toa tsy mbola misy tokotaniny izany hatreto.

Fa ny tena olana, araka ny loharanom-baovao, dia tsy mbola tonga eo anivon’ny oniversite ny vola fampandehanan-draharaha madrak’ity ny androany. Efa manontany tena ny Sojabe sasany hoe : sao efa tokony hakatona aloha ny Oniversite. Ny vola saram-pisoratana anarana mantsy no nahodina hatreto. Efa madiva ho tapitra izany vola izany ankehitriny. Any amin’ireo toeram-pampianarana sasany dia tsy mbola voaloa ny ampahany betsaka tamin’ny ora fanampiny na «heures complémentaires» tamin’ny herintaona. Ny «heures complémentaires» manaraka anefa efa tokony haloa amin’ny volana jolay izao.
Etsy an-danin’izay dia betsaka ny mpampianatra no mimenomenona fa kobaka am-bava ireo didim-panjakana telo momba ny «déplafonnement» sy ny «indemnité de recherche». Hay taratasy nentina nampangina ny mpampianatra fotsiny. Ahiana ny fikatonan’ny oniversite raha izany olana rehetra izany no tsy voavaha
 
Nangonin’i Jean D.
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT