Actualités

Olana ao amin’ny MICTSL Toamasina Ahiana hitarika korontana


  • Alakamisy 23 Novambra 2017

Mena midorehitra ny tondro rehetra, efa tena mihoatra ny azo leferina ny zava-mitranga momba ny fikirakirana ny kaontenera eo anivon’ny seranatsambon’i Toamasina,

asa izay iandraiketan’ny orinasa MICTSL (Madagascar International Container Terminal Services Ltd.).Velon-taraina ireo mpandraharaha sy olona mivelona amin’ity sehatra iray ity ary namoaka fanambarana iombonana hanairana ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’ny fikarohana vahaolana haingana sady mahomby.

Lesoka sy kitoatoa

Tompona sambo, mpitatitra, mpandraharaha, mpiasa mifandray amin’ny fadin-tseranana no nivondrona ka manao izao antso vonjy izao noho ny tsy fahamatorana na eo amin’ny fomba fiasa na ny ara-pitaovana ao amin’ny MICTSL.Olana goavana ny faharatsian’ireo fitaovana fampiasa amin’ny fampidiriana sy famoahana entana avy amin’ny sambo, tsy nisy mihitsy anefa ny fanoloana ireto fitaovana efa simba ireo.Io no antony mahatonga ilay fitohanan’ny fiara be amin’ny boulevard Ivondro ka hatreny amin’ny Cité Canada matetika ao Toamasina ao .Nitombo noho ny antony tsy fantatra mazava ny vola aloha hita ao anaty faktiora, kanefa tsy arak’izany akory ny asa vita.Mbola ao anatin’ny tsy fahatomombanana mampitaraina ireo mpiara-miasa amin’ny MICTSL ihany koa ny famoronana sazy handoavana onitra tampotampoka eo, tsy nifampiraharahana kanefa noho ny ataon’ny MICTSL ihany no nahatonga ny olana.Ary ny tena loza hoy hatrany izy ireo dia ny tsy fisian’ny fampitam-baovao mazava eo anivon’ny « Terminal » momba ny fihetsehan’ireo sambo sy ny kaontenera ; eo ihany koa ny fiatoan’ny asa tampotampoka tsy hay hoe fa nahoana miampy ny tsy famelana intsony ireo fiara be hiditra ny vavahadin’ny MICTSL kanefa mbola tsy dify akory ny fetr’ora ara-dalàna.Efa tsy lazaina intsony moa ny fidiran’ny resaka kolikoly , hoy hatrany ny fanambarana.Miteraka olana goavana amin’ny asa fandefasana sy famoahana kaontenera ireo tsy fahatomombanana ireo hany ka tsy mainttsy misy akony amin’ny mpanjifa satria voatery hampisondrotra ny vidin’entana ireo mpandraharaha ho famenoana ny vola very tao amin’ny MICTSL Toamasina. Ilaina ny fikaroham-bahaolana, azo atao tsara ny miresaka ao anatin’ny fifanajana sy ny fifampitsinjovana, hoy izy ireo satria ny hampirindra sy hampandeha tsara ny asa no tanjona.


RTT

           

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT