Tsy nijanona intsony fa dia mbola nitohy hatrany hatramin’iny omaly iny ny fitokonan’ireo mpiasa eo anivon’ny boriborintany faharoa hitakian’ny fialan’ny delege ao an-toerana, Jacques Ramanandraibe, na dia efa nisy aza ny fitsirihana nataon’ireo tomponandraikitra tamin’ny herinandro lasa teo.
Nilaza ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra tamin’ny alalan’ny lefitry ny ben’ny tanàna faharoa, Andriamorasata Julien, manoloana izany fa tsy maintsy mitady vahaolana ny atao hoe mpitarika (leader) amin’ny toe-draharaha tahaka itony mba hampandeha araka ny tokony ho izy ny fitantanan-draharaha rehetra. Tsy misy olona tsy azo soloina izany ary efa mandinika ny tokony hatao izahay. Tsy hisy akory ny fandroahana fa famindrana andraikitra no atao raha ilaina, hoy hatrany ny tenany. Midika ve izany fa efa naman’ny azo lazaina ho mihozongozona ny sezan’ity delege hampangain’ny mpiara-miasa aminy ho tsy nanara-dalàna ity ? Raha tsiahivina moa dia ny resaka fifampitondrana amin’ny mpiara-miasa no teny hanitrikitrihan’ireto mpiara-miasa ireto ity delege ity satria dia milaza izy ireo fa ankoatry ny fikasihan-tanana dia matetika loatra koa ny fandroahana sy fandrahonana mpiasa. Eo ihany koa ny resaka tsy fanarahan-dalàna amin’ny fanatontosana mariazy ivelan’ny boriborintany sy fanomezan-dalana hanorin-trano tsy miera amin’ny CUA foibe.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.