Actualités

Olan’ny SECES Nihetsika ireo mpianatry ny ENS


  • Talata 11 Aogositra 2015

Nanao hetsika fanairana ny mpitondra fanjakana hamahana ny olan’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eny anivon’ny

 

anjerimanontolo omaly ireo mpianatra avy ao amin’ny «Ecole Normale Supérieure» Ampefiloha. Efa ho iray volana mantsy no nijanonan’ny fampianarana tao amin’ity sekoly ambony ity, hoy ny sekretera jeneralin’ny mpianatra Ratianarivo Dagué. «Matiantoka izahay mpianatra sy ny ray aman-dreninay», araka ny fanazavany. «Zonay ny manao fitakiana hiverenan’ny fampianarana amin’ny laoniny, indrindra manoloana ny feo mandeha fa ho taona fotsy ity taom-pianarana ity», hoy ihany ny fanampim-panazavany. Voatery niditra an-tsehatra mihitsy moa ny teo anivon’ny Emmo-Reg namerina ireto tanora manovo fahalalana ao amin’ny ENS ireto izay nivoaka ny faritry ny sekoly.

Mitaky fandoavam-bola avy hatrany

Tsy eken’ireo mpikambana Seces ny fandoavam-bola amin’ny volana oktobra fampanantenana avy amin’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola ka nahatonga ny fihaonana maika teo amin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny minisitry mpikirakira ny vola omaly, araka ny fanazavan’ny talen’ny ENS Andrianarimanana Jean Claude Omer. Miravona ary vonona ny hampianatra avy hatrany ireo mpampianatra mpikaroka raha voaloa mialohan’ity 20 aogositra 2015 ity ny mikasika ilay fanitsiana mari-karama izay hialoha lalana ny momba ireo fitakiana roa hafa dia ny «déplafonnement» sy ny tambin-karama nanomboka tamin’ny taona 2009.

Hisy ny Bakalorea saingy…

Efa nifampidinika mikasika ny fiatrehana ny bakalorea ny Ofisy sy ireo lehiben’ny foibem-panadinana. Efa nifampiresaka ihany koa ireo tompon’andraikitra amin’ny fikarakarana ity fanadinam-panjakana ity, hoy ny talen’ny ENS Andrianarimanana Jean Claude Omer. Efa nisy ny marimaritra iraisana sy ny vahaolana momba azy io. Mbola baraingo kosa hatreto ny momba ny fitsarana ireo kopian’ireo mpiadina, araka ny fanampim-panazavany.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT