Actualités

Olan’ny oniveriste Handray fanapahan-kevitra hentitra ny mpianatra


  • Talata 03 Aogositra 2010

Manoloana ireo olana sesilany eny amin’ny tontolon’ny anjerimanontolo dia nivoaka tamin’ny fahanginany ireo mpianatra mivondrona ao amin’ny fikambanana ara-pedagojika. Nisy ny fanambarana navoakan’ireo filohan’ny fikambanana avy amin’ny sekoly, fakiolte ary departemanta rehetra eny Ambohitsaina izay mitaky ny hisian’ny fahatoniana sy filaminan-tsaina ary ny fitohizan’ny fampianarana faran’izay haingana.

Takian’ireto mpianatra koa ny fanitsiana ny datim-panadinana, ny fandraisana ny vatsimpianarana miaraka amin’ny lisitr’ireo mpianatra tsy nahazo izany. Tokony havoaka faran’izay haingana koa ny teti-bola fa tsy taratasim-bola mba hampandehanana ny fampianarana. Miray feo amin’ireo mpandraharaha koa ireto fikambanana ireto izay manamafy fa tokony haloa ao anatin’ny fotoana fohy ny karaman’ireo mpandraharaha izay fototry ny olana eny amin’ny anjerimanontolo ankehitriny. Mampitandrina moa ireo mpianatra fa raha tsy tontosa ireo fepetra ireo dia handray fepetra hentitra izy ireo. «Manery anay handray andraikitra sy fepetra hentitra ny tsy fahalavorarian’ireo satria marary ny tontolon’ny fampianarana» hoy i Herimihamina Jean Jacques, filohan’ny mpianatra ho mpitsabo sady mpitondra tenin’ireo fikambanana ara-pedagojika. Tsy nanambara izay endrik’ilay fanapahan-kevitra anefa izy ireo. Ankoatra izay dia mitsipaka ny fampidirana ny resaka politika amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony ireto mpianatra ireto. «Aoka tsy hopotehana amin’ny fomba fijery politika ny tontolon’ny anjerimanontolo ary tsy tokony hatao fitaovana politika ny mpianatra» araka ny fanambarana izay nohamafisin’i Andriamanohisoa, filohan’ny AEGM (mpianatra gestion) fa rehefa miteny ny tsy mety ny mpianatra dia lazaina fa mpanao politika hatrany no maniraka azy ireo.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT