Actualités

OJM Adidy sy andraikitry ny minisitera ny miaro ny asa fanaovan-gazety


  • Talata 09 Jona 2015

Voahitsakitsaka ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny Lalàmpanorenana amin’ny fihetsiky ny minisiteran’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ireo andrim-panjakana manoloana ny fanakantsakanana ny fisokafan’ny

 «Malagasy Broadcasting System», hoy ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety Rakotonirina Gérard.  Porofon’ny tsy fanajana ny demokrasia ny tsy famelana ity haino aman-jery ity manatanteraka ny asa mampahafantatra ny zava-misy miseho eto amin’ny firenena izay ilain’ny mpiara-belona. Tsy tokony horesahana intsony ny olana ara-teknika fa ny finiavana ara-politika no tsy ampy amin’ny mpitondra fanjakana, hoy ny lehiben’ny OJM. Zava-dehibe kosa anefa ny fitandremana ny etika sy ny lalàna mifehy ny asa fikirakiram-baovao ary tokony hahasaro-piaro ny minisitera izay manana adidy sy andraikitra hiaro ny asa fanaovan-gazety, araka ny fanampim-panazavany. 

Ramano F.

Sary fampihaingoana : Ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety Rakotonirina Gérard

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT