Actualités

“Office du bacc” Filaharambe ny fakana «attestation»


  • Alakamisy 21 Oktobra 2010

Hatramin’izay dia filaharambe hatrany ny fakana ny “attestation bacc” eny amin’ny “Office du bacc” eny Ankadifotsy.

Ilaina tokoa mantsy io “attestation” io, mba hanamarinana marina fa afaka fanadinana ilay mpianatra. Izay no antony mahatonga ireo mpianatra milahatra ka manokana andro mihitsy ho eny Ankadifotsy. Misy mihitsy aza no tonga vao maraim-be, nefa tsy maintsy miandry ny fisokafan’ny birao amin’ny valo ora ihany.

Ny maraina ihany moa no natokana hanaterana ny fangatahana, ary ny hariva kosa no hakana azy. Efa nisy ihany fepetra noraisina teo aloha mba hialana amin’ny filaharana, ka nalefa tany amin’ny sekoly niavian’ireo mpianatra ity “attestation” ity. Misy kosa anefa ireo mpiadina tsy miankina na “candidat libre”, ka voatery novaina ilay fandaminana, ka dia tsy maintsy samy milahatra eo. Ireo mikasa hiditra amin’ny ivontoeram-piofanana ambony tsy miankina amin’ny fanjakana ireny no mila manangona taratasy faran’izay haingana, ka izany indrindra no tokony hijeren’ny tomponandraikitra akaiky ny momba ireto mpianatra izay hita fa mijaly tokoa.
 
Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT