Notsipahan'i Angletera, Etazonia ary i Frantsa, ny alatsinainy maraina teo tao amin'ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana, ny fehin-kevitra manao an'i Oseana Indiana ho faritry ny fandriampahalemana.
Nalaza tamin’ny fitondran-dRatsiraka faha Repoblika faharoa izany, « Océan indien, zone de paix » izany. Tsy hilamina mihitsy anefa izany ny Oseana Indiana satria tsy manaiky ny goavana. Mazava amin’izao ihany koa fa miray hina foana ny vaventy rahefa ny tombontsoany no voakitika. Ny Malagasy etsy an-daniny na ho ritra aza ny paiso an-kady (boaderôzy, volamena, safira...) tsy mbola tonga saina ny hiray hina hatrany. Marihina fa samy manana toby famaharana ara-miaramila tsy ara- dalàna aty amin’ny Oseana Indiana ireo firenen-dehibe ireo, raha tsy hiteny afa-tsy i Etazonia izay manana ny azy atsy Diego Garcia, ny Frantsay manana ny azy ao amin’ny Nosy Vakana. Dia tsy afa-mihetsika ny kely hery fa didin'ny be sandry ny diplaomasia.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.