Tonga ao Tolagnaro ny sambo goavambe Ocean Dream izay mitondra mpizahantany 1350 raha toa ka 388 olona kosa no mandrafitra ny ekipazy
. Roa andro no iantsonany ao amin’ny seranatsambon’i Ehoala izany hoe ny omaly alatsinainy sy anio talata.Teratany japoney ny akamaroan’ireo mpitaingina izay sambo goavambe ity. Avy afrika atsimo ity sambo lehibe ity izao tonga ao Tolagnaro izao. Vao maraina omaly dia efa tomefy mpizahantany ny tanàna, nifaly havanja ireo mpivarotra asa tanana sy ireo mpitari-dalana .Nampiavaka izao fahatongavan'ireto mpizahantany ireto ny fahadiovan'ny tanàna. Tsy tao an-tampon-tanàna ihany no nitsangatsangana ireto vahiny ireto fa saika notsidihina avokoa ireo toerana malaza : Libanona, La cascade, Domaine de Nahampoana. Marihina fa nisy ireo mpizahantany niitsidika ny Parc National Andohaela sy tany Berenty. Feno dia feno ny fandahara-potoan'ireto mpizahantany ireto satria mbola ho any Morondava mialohan’ny handehany atsy amin’ny nosy Maorisy. Anio hariva no handao tanteraka an’i Tolagnaro ireto vahiny ireto ka hihazo an'i Port Louis .Marihina fa ny 14 sy 15 janoary ity ihany dia hiverina ao Tolagnaro ity sambo Ocean Dream ity.
Oth
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.