Actualités

Observatoire pour le Développement de l’Anosy (ODEA) Hanao ampamoaka ny fitantanana ny Kaominina Tolagnaro


  • Alakamisy 27 Mey 2010

Miakatrakatra ny hafanana politika ao an-drenivohitry ny Faritra Anosy ao. Hiseho vahoaka ny Observatoire pour le Développement de l’Anosy (ODEA) hamaky bantsilana amin’ny alalan’ny ampamoaka sy zava-misy eo anivon’ny Kaominina ambonivohitra Tolagnaro.

Valandresaka ho an’ny mpanao gazety no hisantaran’izy ireo izany ny sabotsy 29 mey ho avy izao, hatao amin’ny Tournesol ao Esokake. «Ny lesoka amin’ny fitantanana amin’ny ankapobeny sy ny zavatra ataon’ny mpitondra ny tanàna no holazainay amin’io fotoana io. Anisan’izany ny fanaovana ireny tolobidy amin’ny asan’ny Kaominina ireny», hoy i Marolahitiana Mahasoron Luc, filohan’ny ODEA, izay Ong nijoro ny taona 2008. Anisan’ny manahirana ary fototry ny lesoka eto Tolagnaro araka ny fanazavany dia sady mandidy no manapaka ary manatanteraka ny delegasiona manokana tarihin’ny filohany, Zafinandro Armand. Tsy manana mpanolotsaina ny tanànan’i Tolagnaro, hany ka izay tian’ny delegasiona manokana hatao dia tanterahiny, tsy misy rafitra manara-maso, ary kosa tsy misy rafitra mpankato na mpanapa-kevitra izay asan’ny mpanolotsain’ny tanàna saingy tsy misy ireto farany. Iray amin’ireo kaominina telo tsy nanaovana fifidianana ben’ny tanàna i Tolagnaro, niaraka tamin’i Nosy Be sy Sainte Marie ny 12 desambra 2007, fa nanendrena delegasiona manokana. Ankehitriny dia nosoloina ireo lefitra roa ao amin’ny delegasiona manokana raha ny ao Tolagnaro. «Aminay dia ny filohan’ny delegasiona manokana mihitsy no tokony hesorina», hoy i Marolahitiana Mahasoron Luc satria izy no manapa-kevitra. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT