Mampametra-panontaniana ny zava-misy manoloana ireo voina isan-karazany mahazo ny Malagasy hoe mbola mihevitra ny tenany ho raiamandreny sy filohan’ny Malagasy ihany ve i Hery Rajaonarimampianina
sa efa tena tsy zakan’ny sainy intsony ny fitantanana an’i Madagasikara, saingy minia mifikitra amin’ny seza mba hahafahana manabontsina ny harena eo am-pelatanana ? Olona miisa 47 no maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho ny sabotsy maraina saingy tsy mbola nisy mandrak’izao izay fanambarana amin’ny fomba ofisialy amin’ny fanaovana fisaonam-pirenena, kanefa raha tena mpitondra mbola manan-tsaina sy tena manana fitiavan-tanindrazana, dia vao niseho iny loza iny dia efa nivoaka ny fanambarana amin’ny fisaonam-pirenena ho firaisam-po eo amin’ny samy Malagasy. Natakalon-dRajaonarimampianina fivorian’ny vondrona Afrikanina any Addis-Abeba ny fiaraha-miory amin’ny mpiray tanindrazana, ka na fanambarana sy teny fampiononana amin’ny maha filohan’ny Malagasy azy aza toa tsy nisy, fa dia fivoriana tsy misy dikany ary tsy hitondra na inona na inona ho an’ny Malagasy tsivakivolo no laharam-pahamehana ho azy. Tsy misy masonkarenany izany fanentanana ny mpiray tanindrazana hiara-kiombom-po noho ny voina mahazo izany, saingy tsy misy vidiny amin’ny mpitondra ran’ny Malagasy latsaka sy ny aina nafoy. Fatina Malagasy mahantra sy tambanivohitra tokoa angamba, ka ny samy valalabemandry no mizaka ny fahoriany, fa ny an’ny mpitondra ambony dia vitan’ny fanampiana kely sy fiheboheboana. Olona 31 no namoy ny ainy tany Ankazoabo ny 21 jona 2016, vokatry ny fanafihan’ny dahalo ny taksibrosy iray, izay nandositra ny tifitra variraraka, kinanjo lasa tany an-kady. 3 maty ary 84 hafa naratra nipoahan’ny baomba teny Mahamasina ny takarivan’ny 26 jona. Ny 22 jolay 2016, olona 38 be izao no maty vokatry ny hain-trano mahatsiravina tany Ikalamavony. Nampihoronkoditra ihany koa ny hain-trano teny Ankasina ny 26 oktobra 2016, ka olona 8 no namoy ny ainy, saingy nirevy sy niliba tany Toamasina ny mpikamban’ny governemanta. Ampahany ihany ireo, fa efa an-jatony ny vahoaka maty sy nitondra takaitra vokatry ny loza isan-karazany niseho teto amin’ity firenena ity hatramin’ny nijoroan’ny fanjakana HVM, saingy tsy mbola nisy na iray minitra monja aza fisaonam-pirenena, fa ireo masoivoho vahiny indray no nampidi-tsaina. Mbola olon-kendry ve ny olona mitantana ity firenentsika ity ?
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.