«Sahirana izahay, mahantra izahay…», santionany amin’ireo menomenona etsy sy eroa izany, ny fiainana anefa toa mandeha ihany. Toa milamina ihany ny firenena na dia samy mahatsapa sy mikaikaika aza ny tsirairay fa mihatra amin’ny any am-bilany anie ilay fahantrana miha lalina vokatry ny krizy nandazo efa herintaona mahery izao kanefa toa tsy mety ahitam-bahaolana. Entina aminao izao àry ny fahitan’ireo sendra ny Tia Tanindrazana ny fiainam-pirenena amin’izao, sy izay heverin’izy ireo ho vahaolana.
Renim-pianakaviana, tsy mitonona anarana: “Miantraika aminay ny fahantrana. Milamina ivelany fotsiny ihany ny fiainana, fa mihorohoro matahotra basy ny olona. Ny hany vahaolana, raha ny fahitako azy, dia ny tetezamita iaraha-mitondra izay efa nosoniavin’izy ireo. Inona kay no tena maharatsy ny fiaraha-mitantana e ? Miara-mitantana, dia miara-manara-maso, dia tsy misy intsony ny fifanomezan-tsiny mialoha ny hidirana amin’izany Repoblika faha-4 izany”.
Francis, raim-pianakaviana: “Tena latsaka amin’ny kizo lalina ny firenena. Amiko, tsy misy vahaolana afa tsy ny fialan’izy ireo, satria lasa sakana amin’ny dinika. Aleo asintaka ireo miziriziry mandà fandaminana, ka miditra an-tsetra ao anatin’izany ny tafika vahiny”.
Renim-pianakaviana, mpikarakara tokantrano: “Mijaly, tena mijaly ny vahoaka. Izaho manokana manan-janaka migadra any Tsiafahy noho ny resaka baomba tsy nataony akory. Mba afaka mamangy indray mandeha isa-kerinandro ihany izahay, saingy ny vola mihitsy no tsy misy. Tena fijaliana no iainana. Hevero fa tsy latsaky ny 2 alina ariary isa-kerinandro no tadiavinay rehefa andeha ho any Tsiafahy izahay. Tsoriko ny ao anatin’ny foko, fa mila miala ireo olona nangalatra fahefana ireo, izay no vahaolana”.
Nivo, renim-pianakaviana, mpampianatra: “Sarotra ny hamoahana antsika amin’ny krizy satria ilay olana fototra ahafahantsika mandroso mihitsy no karohina. Ny hoavin’ny taranaka sy ny firenena no tena hitolomako. Noho izany, vahaolana amiko, ny fanesorana ireo ratsy, ireo rehetra nanao ratsy teto amin’ny firenena. Misy olona ratsy eto, mpanao politika mitady ny tombontsoany manokana fotsiny, mila esorina ireny, ireo nanongam-panjakana, mila esorina koa. Aleo kosa hiasa ireo tena tia tanindrazana”.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.