Raha mbola miandry izay endrika fampihavanana hotontosain’ny FFKM ny rehetra dia mamerina ny antso avo efa nataony taloha ry zareo ao amin’ny “fifamelana” na “Grand pardon” ahitana mpanao gazety tsy mitovy hevitra nefa samy resy lahatry ny fampihavanana, ny mpanakanto ary koa ny Olympien (fikambanan’ny mpanao fanatanjahantena efa nandray anjara tamin’ny lalao olympika).
Mihevitra ny “fifamelana” fa tsy mety raha toa ka samy mandeha samy mitady ireo vondrona fikambanana hanatanteraka ny fampihavanam-pirenena.“Efa fantatra ny programan’ny Ffkm fa mahare koa izahay fa hanatanteraka fampihavanana koa aoriana kelin’io ny Raiamandreny Mijoro sy ny Finona. Maninona anefa raha miray latabatra izay misoratena ho mpampihavana rehetra ary anisan’izany izahay. Amin’izay mba azo antoka fa ho
Milaza ho vonona hampifandray sy hampifanatona ireo vondrona fikambanana isan-tsokajiny izay mety manana disadisa ry zareo amin’izany.“ Raha misy olana ohatra eo amin’ny FFKM sy ny Finoana na ny FFKM sy ny Raimandreny Mijoro dia indreto izahay hanao izay hampifanatona azy ireo araka izay efa nataonay taloha”, araka ny fanazavany ihany. Hisy mpihaino sa ho antso an’efitra izany ? Ny ampitso no hilaza ny valiny.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.