Actualités

Ny ankizy sy ny fialantsasatra


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2015

Samy manana ny heviny ireo ray aman-dreny Fandre matetika rehefa andro fialantsasatry ny mpianatra tahaka izao ny amin’ny filazan’ny ray aman-dreny maro hoe : “manata-bava ireo kilonga madinika rehefa tsy mianatra”, ao koa anefa ireo sahy manambara fa tena manala fahasahiranan azy ireo ny fijanonan’ny zanany ao an-tokantrano amin’ny andro vakansy. Araho ny hevitra ny sasantsany tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana teny amin’ny tsena iray teto Andrenivohitra.



-         Maman’i Hery (mpivarotra enta-madinika) :

“Ny ahy ny zanako farany izay hany taizako sisa dia tena manampy ahy mihitsy ato an-tsena rehefa fotoam-pialantsasatra tahaka izao. Tao ho ao aloha izy dia tena tsy afaka nanao vakansy tany antoeran-kafa mihitsy fa tena niakatra be loatra ny kojakoja mbomba ny fianarana ilaina amin’ny fidirana ho avy izao ka tsy maintsy tadiavina miaraka. Tany amin’ny taona 2006-2007 izy no tena afaka farany nanao izany vakansy alavitra izany fa taty aoriana dia ireny niantraikan’ny krizy tamin’ny tetezamita ireny”.

SARY : Maman’i Hery sy ny zanany farany

-         Neny Laurette (mpivarotra kafé sy mofo)

“Ilay ankizy aloha dia tena manampy kosa rehefa fotoana fialantsasatra. Manampy fa tsy maintsy misy foana ny zavatra manata-bava ataony ka tsy maintsy hitenenana azy matetika. Raha izay hoe handeha hanao vakansy izany aloha dia toa ohatran’ny efa nofinofy ihany noho ny fiakaran’ny vidim-piainana tsy hay lazaina intsony. Efa fantany ny fahasahiranana amin’izany ka tsy mizizo amin’izany intsony izy ireo. Tany amin’ny taona 2007-2008 tany no afaka nandeha vakansy an-tanin’olona izany farany izy ireo. 2 amin’ny 6 naterako moa sisa no miara-mitoetra amiko izay efa mananon-tena rahateo”.

SARY : Neny Laurette sy ny zanany faralahy

-         Ra-Pauline (mpivarotra akoho milanja)

“Tena mampilamina ny fiainana ny maha vakansy ny mpianatra fa afaka manampy ny tena amin’ny asa atao toy ny fakana entana ny ankizy amin’izany. Manampy izany dia afaka manampy amin’ny raharaha ao an-tokantrano koa izy mirahalahy amin’ny ankapobeny rehefa tsy mianatra. Raha ny resaka vakansy moa dia handeha hiaraka amin’ny fianakaviana toy mahazatra isan-taona izy ireo ka any Mahajanga no voatondro aleha amin’izany satria any no misy havana hamantanana ary ny fandaniana moa dia hanaovana tsipaipaika ny amin’izany ary efa nomanina hatry ny ela. Tsy maintsy hatrehana koa anefa etsy an-kilan’izany ny fidiran’ny mpianatra ka ny anay dia atao tsikelikely miandalana ny fanangonana izany”.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT